Naneho ny fomba fijeriny ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ny solombavambahoaka teo aloha tany Ambatondrazaka Dokotera Elie Rasoanaivo sy ireo mpiaradia aminy omaly.
Tsy mijery ny tena tombontsoan’ny vahoaka izay nifidy azy ireo ny depiote raha araka ny fahitan’ny dokotera Elie azy. Firy tamin’ireo maika ny hanongana ny filoham-pirenena, hoy izy, no mba nanao tatitra na niera tamin’ny vahoaka nifidy azy mialoha iny latsabato fanalana ny filoham-pirenena iny ? Manohitra tanteraka ireo hevi-dratsy fanakorontanana ny firenena dokotera Elie sy ny ekipany. Zava-doza ho an’ny Malagasy ny fambolena krizy vaovao eto amin’ny firenena, hoy ihany ity depiote teo aloha tany Ambatondrazaka ity. Manameloka ireo depiote nanao iny fanonganana ny Filoham-pirenena iny izy ireo, araka izany. Hatreto dia tsy hita taratra teny anivon’ny vahoaka ny asa nataon’ny depiote fa ny fiadiana ny tombontsoa manokana no mibaribary sy heno ny vahoaka. Amin’ity depiote teo aloha ity dia ny fandravana ny Antenimieram-pirenena no vahaolana. Miantso ny filoha izy ireo hampiasa ny fahefany.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.