Politique

Dr Alain Ramampiarivelo Matotra ny antoko Tiako I Madagasikara


  • Alakamisy 28 Mey 2015

«Te hitondra ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny kaominina renivohitr’i Fianarantsoa ny tenako», hoy dokotera Alain Ramampiarivelo. Nisafidy ny ho kandida ben’ny tanàna Tiako I Madagasikara izy ankehitriny raha tsy miankina foana hatramin’izay.

 

 Ny antony dia satria antoko matotra tena havanana sy maharesy lahatra afaka mitondra fampandrosoana eny ifotony ny TIM. Laharam-pahamehana ny fampandrosoana ny lafiny maha olona ao an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa. Asa miandry, ohatra, ny fifehezana ny fidangan’ny vidim-piainana, indrindra mahakasika ireo entana ilain’ny mponina andavanandro, ny fitondrana vahaolana amin’ny fahasahiranana ara-tsosialim-bahoaka toy ny fanadiovana sy fanatsarana ny tanàna, ny fandaminana ny eny anivon’ny tsena. Tsy maintsy hojerena ihany koa ny lafiny fifanakalozana eo amin’ny sehatry ny asa tanana, ny fambolena sy ny fiompiana. Hanan-danja manokana ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, hoy ny kandida ben’ny TIM dokotera Alain Ramampiarivelo.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT