Efa vita ny fanadihadiana nataon’ny governemanta Afrikanina tatsimo momba ny nialan’i Marc Ravalomanana tany an-toerana ka nahatongavany teto Madagasikara. Efa natolotra ny governemanta malagasy ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny fitondram-panjakana Afrikanina tatsimo momba ny raharaha Ravalomanana Marc, hoy ny masoivohon’ity firenena vahiny ity eto Madagasikara.
An-tsokosoko sa tsia
Milaza kosa ny minisitry ny Fitsarana Ramanantenasoa Noeline fa tsy mbola tonga eo am-pelatanany ny valin’izany hatramin’ny alarobia 25 febroary 2015 teo. Tsy maintsy mandalo ao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Malagasy io dosie io mialoha ny handraisan’ny minisitera mpitahiry ny Tombokasem-panjakana izany, hoy ny fanampim-panazavan’ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity. Raha tsiahivina, natao resabe ny fomba nahatongavan’i Dada teto Madagasikara tamin’ny 13 oktobra 2014 ka nahatonga ny mpitondra afrikanina tatsimo hanokatra fanadihadiana mifanindran-dalana amin’ny famotorana nataon’ny fanjakana malagasy. Raha tsy nahenoana tohiny intsony moa ny fiampangana an’Andriamatoa Ravalomanana Marc sy ireo olona notondroina ho mpiray tsikombakomba aminy avy amin’ny mpanao famotorana malagasy dia izao atao tompon-trano mihono sy ampifilafilaina izao indray ny vahoaka malagasy liana te-hahafantatra ny marina momba ilay fisokajiana ho an-tsokosoko ny fodian’ny filoham-pirenena teo aloha eto an-tanindrazana.
Tsiambaratelo
Atoa Ravalomanana manokana dia efa nilaza fa tsy hiteny ny fomba nahatongavany teto. Ny azo antoka fotsiny aloha dia tsy nilomano izy ary tsy maintsy nisy ny olona nanampy azy. Tena mahaliana ny rehetra ity raharaha ity, ka izay no maha zava-dehibe loatra ny famoahana ny tena marina momba ilay dosie Ravalomanana taorian’ny fanadihadiana natao tany Afrika Atsimo. Misy koa anefa ny atao hoe tsiambaratelon’ny fitondram-panjakana (secret d’état) izay tsy fambara amin’ny olon-drehetra, ka asa raha efa voasokajy ho anisan’izany ny momba ny fiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ny volana oktobra 2014 na tsia. Enin-taona aty aoriana ihany koa dia mbola mijanona ho tsiambaratelo ny fomba nialan’ny filoha Ravalomanana teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha sy nahafahany nivoaka an’i Madagasikara ka nahatongavany tany Afrika.
Ramano F. sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.