Politique

Dosie maloto sy kolikoly Mpitondra maro toran-kovitra


  • Alarobia 30 Mey 2018

Mihorohoro fatratra ny mpitondra HVM amin’izao fotoana satria handao ny seza ary ho vaky bantsilana avokoa ny afera rehetra natao hatrizay, indrindra ho an’ireo minisitera sy sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny.

 

Tafiditra hatramin’ireo orinasa lehibe miankina mivantana na amin’ny ampahany amin’ny fanjakana aza. Anisan’ny iharan’ny vaky bantsilana teny an-kianjan’ny 13 mey, ohatra, fa ny orinasa Jirama, ny orinasam-piantohana Aro sy Havana no fakan’ny fanjakana vola rehefa misy ny mahaporitra azy. Vao ny herinandro nivalona teo no nalaza fa tao amin’ny minisiteran’ny atitany no nakana ny vola hatrany amin’ny 1,4 miliara ariary nentina nividianana olona nanatrika ny famoriam-bahoakan’ny HVM teny amin’ny Coliseum ny sabotsy teo. Re siosio fa tao amin’ny minisiteran’ny indostria no namoahana volabe 27 000Euros ho ofan’ny fiara nitondrana ny vadin’ny filoham-pirenena nandritra ny fivahinianana tany Italie ny taona 2017 … Efa nampitandrina ny depioten’ny fanovana mba hanatsaharana ny fangalarana sy ny fitaomana vola na fitaovam-panjakana mialoha ny handaozana tanteraka ny seza. Efa nisy aza ny fanambarana tany aloha hoe hampanao “audit” na fanadihadiana ara-bola lalina ny minisitry ny fanovana, vao tonga eo amin’ny fahefana. Ampahany tamin’ny resaka maloto tamin’ny fitantanana ny volam-panjakana izany, fa maro amin’ireo tompon’andraikitra ambony no manana dosie maloto. Tsy nisy tohiny intsony, ohatra, ny raharaha 70 000Euros nahasaringotra ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine, ampamoaka nataon’ilay frantsay Houcine Arfa fa nomeny ity tompon’andraikitra ambony ity mba ho saran’ny fampandosirana azy niala teto Madagasikara. Ny praiminisitra lehiben’ny governemanta izay voatonona lava tamin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Somary malaza ratsy amin’ny fanangonan-karena amina resaka jono sy fiarahana tsikombakomba amin’ny sinoa amin’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harena anaty rano any amin’iny fari-dranomasin’i Toliara iny ihany koa ny minisitry ny jono Gilbert François, raha ny resaka miely. Ampahany ihany ireny fa maro ireo tompon’andraikitra ambony voatonona tamina afera maloto, raha tsy hilaza afa tsy ny mpanolotsain’ny filoha izay nambara fa efa noesorina, izay ahiana ho tompon’antoka amina fakana an-keriny na kidnapping satria naka ireo gadra tany Toamasina, nogandraina noho ny raharaha Annie sy Arnaud ny tany amin’ny taona 2016. Ny depiote nalaza tamin’ny kolikoly maro ihany koa dia maro no tratry ny fanadihadian’ny Bianco amin’izao ary karazan’ny zo tsy azo henjehina sisa aloha hialokalofana. Betsaka ny mpitondra ambony mihorohoro sy matahotra mafy ny hidoboka am-ponja ankehitriny. Tsy afaka ny hiaro tena na hanindry ny fitsarana intsony satria tsy ho eo amin’ny fahefana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT