Politique

Dosie «26 janoary 2009» Nanjavona nandritra ny tetezamita


  • Talata 27 Janoary 2015

Ny fanampiana avy tamin’ny fitondrana Ravalomanana no mba azon’ireo mpandraharaha lasibatry ny fandrobana sy fandorana nitranga tamin’ny 26 janoary 2009. Nidina teny an-toerana ihany ingahy Andry Rajoelina nijery ny zava-misy sy nampanantena fanonerana saingy tsy nisy tohiny izany efa ho enin-taona izao

 . Nisy rahateo ny dosie mikasika ny fangatahana fanampiana momba ireo entana very sy fitaovana simba napetraka tamin’ny fitondrana tetezamita saingy nanjavona tsy hita popoka izany, hoy i Rhodya mpitam-bolan’ny fikambanan’ireo mpivarotra lasibatra tamin’ny 26 janoary 2009. Mieritreritra ny hifampiraharaha amin’ny fitondram-panjakana vaovao ny fikambanana ankehitriny. Potika hatrany amin’ny 99% moa ireo tsenam-barotra miisa 116 tao amin’ny «Suprême Center» Andravoahangy. An-jatony tapitrisa Ariary maro kosa ny fatiantoka nateraky ny fanapotehana. Tsy mbola tafarina tamin’ny fahavoazana mihitsy ny tsena hatramin’ny nisian’ny «Alatsinainy Mainty» satria zara raha misy ny ampahefatry ny vola miditra tamin’izany no raisin’ny mpivarotra amin’izao, hoy ny fanazavana azo teny an-toerana. Tsy maharaka intsony ny fanafarana entana noho ny fidangan’ny sarany miampy ireo hetra sy ny hofan-trano tsy maintsy aloa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT