Politique

Dokotera TINA ZHY Mazava ny handresen’i Marc Ravalomanana


  • Talata 18 Desambra 2018

Hatreto dia tsikaritra eny anivon’ny fiaraha-monina eny hoy dokotera Tina Zhy fa tsy iadian-kevitra ny handresen’ny kandidà Marc Ravalomanana amin’ny Fifidianana fihodinana faharoa hotanterahina rahampitso Alarobia 19 Desambra. Ny teti-dratsy hangalara-bato sisa no mila arahi-maso sy fehezina tsara, hoy izy.

 

 

 

Sehon-javatra telo raha araka ny nambarany no hanaporofoana fa mankany amin’ny kandidà Marc Ravalomanana  ny safidin’ny  olom-pirenena maro an’isa. Tamin’ny fifanatrehana voalohany notanterahin’ireo kandida roa dia nambarany fa nahatarafana zavatra maro izany izay vao mainka nanamafy ny fitiavan’ny olona ny kandida laharana faha-25 nefa nanalabaraka ny an-daniny. Anisan’ireny hoy izy  fahatsoran’ny kandida Ravalomanana  raha  nisy fankahalàna sy avona kosa ny  fihetsika sy  fiteny nasehon’ny an-kilany ary nandray ny mpifanandrina ho fahavalo mihitsy na  dia atao hoe Raiamandreny sy zanaka aza. Nahatsapa ny tsy fahamendrehany anefa ny ankilany nandritra izany hoy izy  ka ny  hany nataony dia ny tsy namaly mivantana na tsy namaly mihitsy ny fanontaniana napetraka taminy  fa variana nanaratsy ny an-daniny fotsiny. Ny fifanatrehana farany afaka omaly  alahady indray dia nambaran’ny dokotera Zhy  fa tena  voafehin’ny kandida Ravalomanana ny zava-drehetra. Niharihary ny maha-raiamandreny sy Filoha mendrika ity kandida iray ity hoy izy. Naka tahaka sy mandika izay voalazan’ny laharana faha-25 fotsiny kosa hoy izy no  nataon’ny an-daniny izay vao mainka nampihiratra ny masom-panahin’ny Malagasy rehetra.

 

 

Pati

 

Legende : Izy no dokotera Zhy Andrianarisaina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT