Politique

Doka miendrika propagandy Nanome 24 ora ny CUA


  • Alarobia 19 Septambra 2018

Tsy nahazoana alalana ireo takelaby fanaovana dokambarotra na “panneau publicitaire” tsy manana endrika dokambarotra, ataon’ireo kandida filoham-pirenena sasany eto Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana,

 

 

 hoy ny eo anivon’ny fiadidian’ny Kaominina Antananarivo. Manoloana ny fametrahan’ireo mpanohana kandida na ny Kindida mivantana sariny eny amin’ireo toerana manokana fametrahana dokambarotra amoron-dalana ireny dia manome efatra amby roampolo ora (24h) ny tompon’ireny sary tsy manana endrika dokam-barotra na “non commercial” ireny ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo mba hanalana izany. Ny dokambarotra izay ara-dalàna kosa dia mijanona amin’ny toerany ihany. Aorian’ny fe-potoana nomeny 24 ora, dia hanala izany ny kaominina, izany hoe afaka 1 andro. Nanazava io fanapahan-kevitra horaisina io moa ny Tale misahana ny tanàn-dehibe sy ny fampandrosoana na DUD ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramatoa Hortensia Rasoamanambola.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT