Politique

Distrikan’i Toamasina I Biraom-pandatsaham-bato 308 ho an’ny mpifidy 162.434


  • Talata 06 Novambra 2018

Efa saika tonga eny anivon’ny fokontany 138 ao Toamasina I avokoa ireo kara-pifidianan’ny mpifidy ny herinandro nivalona iny. Efa saika nizara izany isaky ny tokantrano sy niantso ny mpifidy haka ny karany koa ny filoham-pokonatny nanomboka ny alakamisy teo.

Ny talata no fantatra fa efa tonga teny anivon’ny fokontany ny karatra.  Ho an’ny distrikan’i Toamasina I, misy ireo voasoratra anarana anaty lisi-pifidianana saingy tsy nahazo karatra, ao koa anefa ireo nahazo roa amin’ny lisitra iray ihany. Hatreto aloha, tsy misy ny fanazavana azo mikasika izay. Miisa 162.434 ny mpifidy voasoratra anarana ho an’ny distrikan’i Toamasina I, miisa 308 kosa ny birao fandatsaham-bato misy araka ny lalam-pifidianana vaovao misy eto amintsika izay mametraka fa tsy tokony hihoatra ny 700 ny mpifidy ao anatin’ny birao fandatsaham-bato iray. Niisa 139 anefa izany tamin’ireo fifidianana teo aloha rehetra niparitaka tamin’ireo fokontany 138 ao Toamasina I. Ny boriborintany ao Ankirihiry no manana mpifidy be indrindra, izay mahatratra 61.728 sy manana birao fandatsaham-bato miisa 110. Ny boriborintanin’Ambodimanga kosa no vitsy mpifidy indrindra ho an’i Toamasina I izay miisa 13.777 amin’ny birao fandatsaham-bato miisa 27. Ny ambiny kosa dia ny boriborintanin’i Morarano manana mpifidy 39.170 sy birao fandatsaham-bato 71. I Tanambao V manana mpifidy 25.998 amin’ny birao fandatsaham-bato 54; Anjoma kosa manana mpifidy 21.761 amin’ny birao fandatsaham-bato 46. Ankoatra izay dia saika ny talata teo io avokoa no naharay ny kara-pifidianana ireo fokontany ao Toamasina II, Mahanoro, Vatomandry ary Brickaville ka efa nizara izany nanomboka ny alakamisy nitohy ny faran’ny herinandro teo. Ho an’ireo distrika lavitra sy ratsy lalana toy ny any Marolambo sy Antanambao Manampontsy kosa, efa eny am-pelatanan’ireo mpifidy ny kara-pifidianan’izy ireo satria ny azy ireo no nenjehana mialoha ny fanapariahana azy efa ho roa herinandro lasa izay, araka ny fanazavana teo anivon’ny rantsa-mangaikan’ny CENI Toamasina.

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT