Politique

Distrikan’i Marovoay Faritr’i Boeny Velon-taraina amin’ny hafitsoky ny Depiote Mapar teo aloha


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Velon-taraina amin’ny hafitsoky ny depiote teo aloha tany an-toerana izay mpikambana ao amin’ny vondrona Mapar ny olobe sy ny vahoakan’ny distrikan’i Marovoay Faritr’i Boeny ankehitriny.

 

Tsy fantatra na baiko avy aiza na baiko avy aiza fa voasolon’ity depiote ity mpikambana Mapar 100% avokoa araka ny vaovao voaray ary mbola saika havany daholo sy havan’ny saoferany (vady aman-janany sy zanak’anambaviny) koa ireo ny mpikambana CED “Commission Electorale de District” na solontenan’ny CENI FOIBE  mpikarakara fifidianana any amin’ity toerana ity. Eny fa hatramin’ny tompon’andraikitry ny CID “Centre Informatique de District” sy ny CEC « Commission Electorale Communale » sy ny tompon’andraikitra eny amin’ny fokontany aza dia efa saika voasolo avokoa. Mampanontanintena ny vahoaka, hoy ny fanazavana azo avy any Marovoay, hoe baiko avy amin’ny Foibe sy avy amin’ny Lehiben’ny distrika ve no nahafahana nanolo an’ireo olona ireo na sanatria misy tsikombakomba hanatanterahana fihetsika hafahafa amin’ny fifidiananana ? Manaitra ny sain’ireo tompon’andraikitra voalaza teo izahay mba hijery ifotony ny zavamisy aty amin’ny distrikan’i Marovoay fa manahy ny hiverenan’ny zava nitranga tamin’ny fifidianana solombavambahoaka tamin’ny taona 2013 izahay ka nahavoatery nameranana ny fifidianana taty aminay niaraka tamin’ny an’i Ste Marie, Belo sur Tsiribihana ary Andapa. Tsorina fa atahorana mamofompofona resaka hala-bato  ao anatin’izao zava-misy aty aminay izao nefa fifidianana madio no katsahina.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT