Nanao fanambarana ofisialy tao amin’ny trano St Augustin any Mananjary V7V tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny fikambanana Vary sy Rano tarihan’Andriamanampisoa Gégé Bernard sy ny Groupe
Mobile fikambanan’ireo mpampianatra ao Mananjary tarihan-dRAKOTO Chef Cisco teo aloha fa hanohana tsy misy fepetra an’i Dada Marc Ravalomanana kandidà laharana faha-25 amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena Malagasy hotontosaina amin’ny 7 novambra 2018 izao. Nangataka koa izy ireo tesy an-kilan’izay ny hirotsahan’Atoa Gégé Bosco ho kandidà solombavambahoaka hofidiana any amin’ny distrikan’i Mananajary aorian’io fifidianana filoham-pirenena io. Nambaran’Andriamanampisoa Gégé Bosco ampahibemaso tao amin’ity trano St Augustin Mananjary tamin’io fotoana nifamotoanana io koa ny haha kandidà azy amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.