Tafiditra tsara ao anatin’ny fampielezankevitra amin’izao fotoana ny Distim Andramasina, hoy ny filohany, Herinjato Rabetokotany.
Nahavory olona marobe tao amin’ity distrika ity ry zareo ny talata teo, raha ny nambarany ary na dia nisy kandida iray faran’izay manam-bola namafy katrana izany aza teo alohan’ny fahatongavan’ny ekipan’ny mpanohana ny kandida laharana faha-25, izany hoe Marc Ravalomanana, dia naleon’ireo vahoaka nanatona izay ekipan’i Dada izay. Efa fandresena sahady izany ho anay, hoy ny tenany satria mahalala ny lalan-kizorany ny distrikan’Andramasina na dia eo aza fisomparana marolafy mihatra amin’i Dada. Anisany ny fanakonan’ity kandida mpamafy vola ity ny peta-drindrin’ny antoko Tim amin’ny azy ireo, hoy hatrany izy. Misy efa miezaka mividy ny vaton’ireo vahoaka mihitsy saingy efa zanak’i Dada hatramin’ny ela Andramasina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.