Politique

Distrikan’Ambohidratrimo Tafatsangana ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna manohana an-dRavalomanana


  • Alakamisy 13 Septambra 2018

Tafatsangana omaly alarobia 12 septambra teny Ivato ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna manohana ny kandida laharana faha-25 Ravalomanana Marc.

 

 

 Mitovy ny fomba fijery, tokana ny tarigetran’ireto Ben’ny tanàna ireto ka hanambatra ny hery amin’ny paikady rehetra hamerenana indray an’i Marc Ravalomanana eo amin’ny fitondrana. Avy amin’ny antoko politika samihafa ireto Ben’ny tanàna ireto saingy niara-niombo-peo manomboka eto fa hanohana azy. Efa samy resy lahatra amin’ny tokony hiverenan’ity kandida ity eo amin’ny fitondrana amin’izay izy ireo ka manomboka eto samy hanao izay fara heriny hahatongavana amin’izany. Nahazo fankatoavana tamin’i Marc Ravalomanana ny fananganana ny fikambanana. Hisy sahady ny hetsika goavana hotanterahina amin’ny alahady 16 septambra izao. Hetsika santatra ifarimbonan’ireto Ben’ny tanàna mivondrona manohana an-dRavalomanana ireto, izay hatao etsy amin’ny kianja Miolaka Mamory Ivato. Hakotroka ny fitsenana ny kandida laharana 25 amin’io fotoana io ary samy hitondra ny vahoaka ho solontenany avy ireo Ben’ny tanàna avy amin’ny kaominina mpikambana ireto. Hivelatra amin’ny kaominina hafa ny hetsika toy izao izay hifanohanan’ireo Ben’ny tanàna hatrany ary hifanentanana ho amin’ny fampandaniana an’i Marc Ravalomanana.

Anisan’ny tonga nanangana ny fikambanana Randrianarisoa Penjy (Ivato), Rabemihoatra Mino (Ambohitrimanjaka), Ramahefarivo Heritiana (Ampangabe), Razanatsalama (Anosiala), Razakarivony (Avaratsena), Rafalimanjato Tolojanahary (Ambato), Rakotoasiparany Solohery (Manjaka Avaradrano), Rafalimanana Jean Marie (Ambohipihaonana), Randriamahandry Seheno Toky (Ambohimanjaka), Ralambomanana André Stéphan (Mananjara), Raherimanantsoa Feno (Iarinarivo), Rajaonarovelo Fanomezana (Fiadanana) ary Randrianasolo Raymond (Antsahafilo). Nisy ihany koa ireo Ben’ny tanàna hafa avy amin’ny kaominina sasany mbola any am-pamitana iraka nefa milaza ny mbola hanatevin-daharana ireto Ben’ny tanàna nifamondrona omaly ireto.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT