Nosalorana samboady sy napetraka ofisialy tamin’ny toerany omaly teny Sabotsy Namehana ireo ben’ny tanŕna 16 vao lany hitantana mandritra ny 4 taona ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano.
Tsy vitsy tamin’izy ireo no efa fantatra hatrizay noho ny fiverenany eo amin’ny toerana. Iray amin’izy ireo ihany no andriambavilanitra dia ny ben’ny tanànan’ny kaominin’i Fiaferana. Ny lehiben’ny distrikan’Avaradrano no nitarika ity lanonana ity ary notronin’ireo depiote mirahalahy voafidy teny an-toerana. Ny zokiolona indrindra tamin’ireo ben’ny tanàna vaovao an’i Manandriana, no nisolotena azy 16 mianadahy tamin’ny fandraisam-pitenenana fohy. Nomarihiny fa tokony ho foana manomboka izao ny resaka politika eny anivon’ireto kaominina 16 ireto satria efa vita ny fifidianana. Mila mibanjina ny fampandrosoana ny kaominina tsirairay ny rehetra manomboka eto. Ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy kaominin’Avaradrano. Nanome toky ny hiara-kiasa sy hifanome tanana amin’izy ireo ireo solombavambahoaka voalaza ho reharehan’Avaradrano manontolo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.