Faly izahay ary tena faly...noho ny fahasoavana azon'i dadanay. Io no nambaran'ny mpikambana Tim Taolagnaro sy ny birao maharitra tarihin'i Mahazovelo Raymond, filoha Distim
. Anisan'ny nivoitra io nandritra ny fivoriana nataon'ny mpikambana tao amin'ny foiben-toeran'ny antoko ao Ambovomaiky. Antony noho ny fandresena azon'ny filoha Ravalomanana sy ny TIM miaraka amin'ny movansy, noho ny famerenana aminy ny zony maha filoham-pirenena azy. Isaoran'izy ireo izay nangataka sy nanamora izao fahafahana izao. Na izany aza, maniry ireto mpiara-dia amin'i Dada ireto ny hanafainganana ny fanapahan-kevitra an-tsoratra. Misy ny dingana efa vita, hoy izy ireo, mbola maro ny tsy tanteraka. Ny fiaraha-mientan'ny rehetra no ahatontosa ny fanovana ho amin'ny tsaratsara kokoa. Anisan'izany ny hampiharana ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fikaonan-doha tamin'ny fampihavanam-pirenena tao amin'ny CCl-Ivato. Maniry ihany koa ireto Tim ireto ny hitsidihan'ny filoha Ravalomanana sy i neny Lalao Ravalomanana any Taolagnaro amin'izay fotoana izay. Tao anatin'ny taona maro mantsy naniry ny hitsidihan'ny filoham-pirenena azy ny mpikambana tiako I Madagasikara sy ireo vahoaka any an-toerana.
Oth
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.