Politique

DISTIM Ambohimanarina Manamafy ireo fototra eny anivon’ny fokontany


  • Talata 14 Aprily 2015

Mitsangana avokoa ny sampana antoko Tiako I Madagasikara ao anatin’ireo fokontany 31 ao Ambohimanarina.

 

 Efa miroso amin’ny dingana fanamafisana ny fototr’ireo FokoTim nijoro hatramin’ny taona 2002 niorenan’ny Tiako Iarivo niofo ho Tiako I Madagasikara ireo mpikambana Distim tarihin’ny filohany sady solombavambahoakan’i Madagasikara Rasoanoromalala Horace. Handray an-tanana mivantana ny fanentanana ireo mpikambana eny ifotony ireo birao mpitantana Distim ao amin’ny boriborintany faha-6, araka ny fivoriana santatra ambavarano niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra Fokotim ny alahady lasa teo izay hatao fomba fiasa in-droa isam-bolana. Hifanakalo vaovao sy hifanentana ireo mpikambana TIM rehetra eny anivon’ny fokontany ihany koa ny birao Distim Ambohimanarina. Hanombohana izany ny alarobia izao ny ao Antanety atsimo sy avaratra, Antsararay, Ambodivona ary Ambohimanandray. Tsy manilikilika ny TIM ary efa maro ireo mpanohana vonona hiara-kiasa amin’ny antoko naorin’ny filoha Ravalomanana Marc, hoy ramatoa depiote.

Ramano F


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT