Manamafy ny firaisankina ifotony
Mitohy ny asa sy ny andraikitra tanterahin’ny Filohan’ny Distim Rasoanoromalala Horace solombavambahoaka voafidy teny Ambohimanarina miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky ao anatin’ny Biraon’ny DISTIM Ambohimanarina sy
ireo mpanohana rehetra. Asa lehibe no tanterahina dia ny fanamafisana ny TIM ao amin’ny boriborintany faha-6. Misy ny fotoan-dehibe hivorian’ny TIM ao anatin’ny fokontany 31, ary misy ireo andro hidinan’ny DISTIM eny ifotony. Ny herinandro lasa teo dia ny fokontany Antanety Atsimo sy Avaratra, Ambohimanandray, Ambodivona, Ambohimitsinjo, Andraharo, Ankazomanga, Anosivavaka sy Anosisoa ary Ambodimita no notsidihana. Hidina eny Ankeniheny, Ambaravarankazo, Amorona, Ampandriambehivavy, ary Antanjombe Ambony kosa ireo mpikambana ao amin’ny birao omaly talata 22 aprily. Miatrika fivoriambe iombonana hanaovana jery todika sy ho fanamafisana hatrany ny firaisankinan’ny antoko aorian’ny fidinana ifotony. Tsy mivadi-belirano amin’ny Filoha Marc Ravalomanana ny TIM Ambohimanarina, mikatsaka ny fampandrosoana sy ny fifanampiana ifotony ao anatin’ny firaisankina satria «Ny miasa miaraka no fahombiazana».
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.