Nahemotra araka ny efa nanampoizana azy ny datin’ny fifidianana ben’ny tanàna satria naharitra ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna hifehy ireo kaominina telo manana sata manokana dia Antananarivo Renivohitra, Nosy Be Hell ville ary Sainte Marie.
Tokony handray lesona tsara tamin’iny raharaha iny ny governemanta fa tsy adala daholo akory ny olona eto ka hanaiky ny hafetsifetsena amin’ny resaka kajikajy politika. Karazana faharesena ho an’ny fitondrana HVM izay milaza fa manana ny maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena iny fiverenan-dalana momba ny sata manokan’Antananarivo Renivohitra iny, ary tokony hampieritreritra ny rehetra. Na izany aza mba lasa ihany ny fisainana manao hoe : sao lahy ka niniana natao mihitsy ilay izy mba hampitarazoka ny resaka eny amin’ny antenimieram-pirenena, amin’izay hahemotra ny datim-pifidianana ? Azo antoka mantsy fa mba efa nanadihady tetsy sy teroa ihany ny antokon’ny fitondrana ka mety nahita hoe mbola mila fotoana kely hihetsehana izay vao tena ho sahy hiatrika ny safidim-bahoaka. Somary ratsy endrika ihany mantsy ity antokon’ingahy filoha ity ary mety ho diso fanantenana mihitsy raha toa ka atao tokoa ny fifidianana, indrindra fa misy ny fivondronana antoko politika manohitra azy, ary eo ihany koa ny antoko TIM izay mbola tena ao anatin’ny heriny tanteraka ary re fa tena atahorn’ny HVM fatratra. Fa na ahoana na ahoana mety tena ao ambadik’ilay fampihemorana ny datim-pifidianana dia hita aloha fa diso paika indray ny antokon’ny fitondrana nitetiky ny haka toerana maro amin’ny alalan’ny hafetsifetsena e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.