Nandritra ny atrikasa nanaovana tombana tamin`ireo ezaka efa vita mahakasika ny fikarakarana fifidianana dia nilaza ny OIF fa vita soa aman-tsara ny fanisana sy fanaraha-maso na “audit” fa ara-dalàna izany.
Mahagaga anefa fa nahitàna anarana zaza tsy ampy taona miisa 32 sy anarana miverina in-droa miisa 12 000 tao anatin`ny lisi-pifidianana. Voalaza fa olana ara-pitaovana no nahatonga izany, hoy ny filohan`ny CENI, Rakotomanana Hery. Olana toy ny rehetra io ary ny fomba ratsy entina manodidina ny lisi-pifidianana no tokony hojerena akaiky, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza izy fa tsy misy lisi-pifidianana tonga lafatra ary nomarihany hatrany fa ny CENI Madagascar no nangataka ny famoahana izany “fichier electoral” izany. Tsikaritra anefa fa tao anatin`ny lisi-pifidianana, nisy faritra nitombo ny isan`ny olona. Raha nanao fanentanana mafy kosa ny CENI dia nisoratra tamin`ny lisi-pifidianana ny rehetra. Nisy ny fifampizarana traikefa tamin`ny fikambanana iraisam-pirenena ny Frankofonia (OIF) sy ireo andrim-panjakana misahana ny fifidianana toy ny CENI sy ny HCC ary ireo firaisamonim-pirenena sivily sy politika.
Fanaraha-maso
Teboka telo lehibe no navoitran`ny CENI Madagascar fa ho lesoka nandritra ny fanomanana ity fifidianana 2018 ity. Voalohany, ny fanomanana ny fihodinana faharoa izay tery ny fe-potoana hikarakarana azy satria hatramin`izay iray volana manomboka eo amin`ny voka-pifidianana mandritra ny fihodinana voalohany ny fikarakarana izany fa amin`izao dia 15 andro monja. Manaraka izany, hezahin`ny eo anivon`ny CENI Madagascar ny hainitsiana ny lisi-pifidianana manomboka ny 01 desambra hatramin`ny 15 febroary raha ny lalàna vaovao raha toa ka hatramin`ny 31 janoary nandritra ny lalàna teo aloha. Farany dia momba ny fientanan`ny besinimaro amin`ny zavatra rehetra izay atao satria raha tiana hangarahara ny voka-pifidianana dia mila manara-maso izay vokatra mandeha eo ny olom-pirenena..
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.