Politique

Diplaomasia Mifanesika ny ambasadaoro vahiny, ny Malagasy tsy mahatendry na iray aza


  • Talata 15 Septambra 2015

Ambasadaoron’ny firenena vahiny roa, Ejipta sy Soisa, no nifandimby tonga tetsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy omaly nanolotra ny dika mitovin’ny taratasy fanendrena azy ireo hiasa eto Madagasikara, dia Atoa isany Abbas Cherif sy Philippe Brandt.

 

 54 taona izao no nisian’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Soisa. Eo amin’ny sehatry ny fanofanana sy ny kolontsaina no tena iarahan’ny firenena roa tonta. I Ejipta kosa no firenena afrikanina voalohany nanokatra masoivoho teto Madagasikara, 45 taona lasa izay, ary hanamafy izany ny fahatongavan’ity diplaomaty vaovao ity. Ambasadaoro faha-5 hiasa eto Madagasikara, tao anatin’ny herinandro ireto vao tonga ireto. Mihazakazaka tonga eto ny vahiny hijery izay mahasoa azy, i Madagasikara kosa, tao anatin’izay 21 volana nijoroan’izao fitondrana Rajaonarimampianina izao tsy mbola nahavita nanendry na ambasadaoro iray aza. Tsy manam-bola sa tsy manana olona ?

Jean D.

sary

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT