Mifototra amin’ny lafiny ara-toekarena miaraka amin’ny fampandrosoana ny diplaomasia Malagasy, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny Atallah Béatrice tamin’ny volana jona 2015
. Nambarany ihany koa fa efa maro ny antontan-taratasin’ireo kandida mpifaninana amin’ny toerana ambasadaoro voaray sy nodinihan’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery. Masontsivana napetraka manokana kosa ny fahafantarana ny filan’ireo firenena isanisany mampiantrano ireo masoivoho Malagasy. Efa misy ampahany amin’ireo olona voatsonga vonona ny hiaro ny politika ivelan’i Madagasikara ho amin’izany toerana izany saingy miandry ny lisitra ho feno vao miroso amin’ny fanendrena. Efa tafiditra ao anatin’ny vinavinan’ny minisitera mpiahy rahateo moa ny tetibola fanendrena ireo hisolotena ny firenena Malagasy any ivelany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny diplaomasia.
Fifanakalozana mitanila
Mibosesika be mihitsy ny fahatongavan’ireo masoivoho vahiny hatramin’ny nijoroan’ny fitondram-panjakana ara-dalàna vaovao efa ho 2 taona latsaka izao. Mbola mionona kosa amin’ireo masoivoho notendren’ny mpitondra teo aloha na ireo mpiraki-draharaha hatrany ny ambasadintsika rehetra any ivelany hatramin’izao. Azo adika ho fahavoazana lehibe ihany io fitarazohan’ny fanendrena ireo ambasadaoro mpiaro ny tombontsoan’i Madagasikara any amin’ireo firenena mpiara-miasa io. Tsy hisongadina mihitsy mantsy ilay diplaomasia manome lanja ny sehatra ekonomika sy ny fampandrosoana satria mitanila tsotra izao ny fifanakalozana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.