Na dia fivorian’ny vondrona afrikanina aza moa no natao tany Addis Abeba–Etiopia dia tonga tany ihany koa ny vazaha fotsy hoditra ka nisy tamin’izy ireo no nihaona tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nifandimby noraisin’Atoa filoha, ohatra, ny solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena, ny BAD,
UE, FAO, OIF. Noraisiny koa ny iraky ny fitondram-panjakana Rosianina, Japoney, Iranianina, Seiseloa. Nihaona tamin’ny filoha Afrikanina tatsimo Jacob Zuma ihany koa izy ary niresaka tamin’Atoa Jorge Carlos Fonseca, filohan’i Cap Vert. Lafiny maro amin’ny fiainam-pirenena Malagasy no voakasiky ny fihaonana tahaka ny fanamaivanana ny voina noho ny rivodoza, ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny, ny fambolena sy ny fiahiana ara-tsakafo miaraka amin’ny FAO, BAD izay nanome 50 tapitrisa dolara izay azo ampitomboina raha mazava tsara ny tetikasa.
Misisika ny Iranianina
Fa nisy ihany koa ny fifampiresahan’ny filoha Malagasy tamin’ny delegasiona Iranianina ka ny famatsiana angovo no votoatin-dresaka. Voaasa manokana ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy Atallah Béatrice mba hitsidika an’i Iran amin’izay fotoana hahafahany ho fanamafisana hatrany ny fifandraisana sy fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Anisan’ny zava-baovao ihany izy ity satria tena natory mba tsy ilazana hoe tsy nisy mihitsy ny fifandraisana teo amin’ny Iran sy Madagasikara hatramin’izay. Tsy tara fa dia nihaona tamin’ny filoha Rajaonarimampianina ihany koa ry zareo avy ao amin’ny OIF ka ny fanomanana ny fihaonamben’ny tany mampiasa ny teny frantsay amin’ny taona 2016 eto Antananarivo no nifampidinihana. Mikasika an’io manokana dia ampoizina fa ho avy hankalaza ny 20 martsa, andron’ny frankôfônia aty Madagasikara ny Sekretera Jeneralin’ny OIF, Rtoa Michael Jean.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.