Politique

Diniky ny Samy Malagasy Manohana ny Kandida laharana faha 25


  • Alarobia 12 Desambra 2018

Taorian’ny AG “Fivoriambe” nataon’izy tamin’ny faran’ny volana novambra 2018 teo dia nanapakevitra ny fikambanana DSM “Diniky ny Samy Malagasy” noforonin’ny Pr Paul Rajaonarivelo fony fahavelony ary

 

 tantanan’Atoa Ranaivomalala Fidison ankehitriny fa hanohana  tsy misy fepetra ny kandida Marc Ravalomanana n°25  amin’ity fihodinana faharoan’ny fifidianana ho filoham-pirenena Malagasy 2018 ity. Ny antony dia satria efa hatramin’ny taona 2009 izahay, hoy izy ireo niatrika mpanao gazety tetsy Antsahavola omaly talata 2018, no efa nanohitra ny fanonganam-panjakana nataon’ny kandida n°13 ankehitriny ary efa nanitrikitrika hatramin’izany fotoana izany fa tokony ho saziana izany mpanongam-panjakana izany fa nanimba tanteraka ny fiainan’ny Malagasy tamin’ny ankapobeny. Ny antony faharoa dia satria efa hita koa fa efa manana traikefa amin’ny fitantanana ny firenena ny kandida n°25 ary efa nananana ny naha izy azy ara-pihariana talohan’ny nitantanany ny firenena teo aloha.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT