Nitohy teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina omaly ny dinik’ireo filoha tarihan’ny FFKM, samy mbola any ivelany moa ny Amiraly Ratsiraka sy i Andry Nirina Rajoelina ka filoha teo aloha roa dia i Zafy Albert sy Marc Ravalomanana sy ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina ihany no tazana teny an-toerana ; na izany aza dia nandefa solontena ihany ireo filoha tsy tonga. Ny dingana voalohany tamin’ity diniky ny FFKM ity moa no nanombohan’ireo Filoha dimy mirahalahy ny fanatanterahana ny 4F : FiekenR08;keloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fihavanana eo amin’izy samy izy sy ireo mpanaraka azy.
Tsy hiverina intsony ny krizy
Nisongadina tamin’ity fivoriana omaly ity ny fanomanana ny fidinana ifotony hanangonana ny hevitry ny olona sy ny fihaonambem-paritra, misy ny komity teknika manao izany izay ahitana ny solontenan’ny FFKM sy ny an’ireo filoha 5. Ny ankapobeny irina ho tratrarina amin'izao dia ny: Malagasy mihavana ary Firenena voaàrina, mihatsara ny firaisankinan’ny samy Malagasy, miarina ny fomba fanaovana politika ary mba tsy hiverenan”ny krizy intsony sy fanonganamR08;panjakana.Ny fotoR08;kevitra ho voizina mandritra ny fihaonambe izay efa noraisin’ny FFKM ary neken’ny rehetra dia ny 4F mba ho fanarenana araR08;tsosialy, araR08;politika, araR08;toekarena ny Firenena. Ezahina ho vita amin’ny volana martsa 2015 ny fihaonambemR08;paritra arahin’ny fihaonambe nasionaly izay hatao eto Antananarivo, aorian'ny fandraisana ny fehinR08;kevitra avy any amin’ny faritra.
Afaka maneho hevitra ny rehetra
Nandre ny hetahetan’ny rehetra ny FFKM ary mampahafantatra fa hisokatra malalaka ho an’ny rehetra ny fanehoanR08;kevitra amin’ny alalan’ny tambazotranR08;tseraseran’ny FFKM (Facebook, réseaux sociaux) Ny kendrena ho avoitra ary tiana apetraka eto amin’ny Firenena dia ny Fitoniana maharitra sy mafy orina mba hametrahana tany tanR08;dalàna sy Fanjakana tsara tantana ary Fitondrana marinR08;toerana hanomezana antoka ny fampivoarana sy fampandrosoana an’i Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.