Politique

Dinika politika Mitsongoloka ny lesoka ny eoropeanina


  • Zoma 09 Oktobra 2015

Faritan’ny fifanarahan’ny Cotonou fa tsy maintsy misy hatrany ny fifampidinihana eo amin’ny tany afrikanina, eoropeanina ary ny avy any karaiba sy pasifika amin’ny fikarohana amin’ny fanatsarana ny fiaraha-miasa mba hampiroboroboana ny toekarena sy ny politika.

 


 

 Omaly ary dia nisy ny fihaonana teo amin’ny  praiminisitra  lehiben’ny  governemanta sy ireo masoivohon’ny vondrona   eoropeanina, ny alemana, frantsay, ny holandey ary ny  masoivoho anglisy nidinika ny momba ny  fiaraha-miasa ho fampandrosoana an’i  Madagasikara. Ny  fitantanam-bolam-panjakana, ny  famatsiana ny  angovo, ny ady amin’ny kolikoly sy ny  risoriso  isan-karazany  ary ny  zava-misy any Atsimo no  niompanan’ny  dinika.Ny praiminisitra  raha  nandray   fitenenana dia  nampatsiahy ny ezaka efa vitan’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny tsy  fandriampahalemana amin’ny alalan’ny  fikarakarana ny sehatry ny  fandriampahalemana, ny ady  amin’ny kolikoly sy ny   ady amin’ny  fanandevozana  olona. Ity dinika  ity moa dia  natao hijerena izay maika amin’ny fanarenana ny  firenena ka hitadiavana  vahaolana. Tsy  vahaolana izao dia izao anefa fa  mbola hoentina amin’ny fivorian’ny  firenena  mikambana ao amin’ny  vondrona  eoropeanina izay  mbola  hatao ny 20 oktobra ho  avy izao mikasika ny FED  andiany faha 11.  Momba  an’i Madagasikara  manokana dia mbola andrasana  ihany koa ny  fivorian’ny  fianakaviambe eoropeanina sy ny filoham-pirenena malagasy vao afaka  miandrandra vokatra amin’ny fiaraha-miasa.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT