Politique

Dinika politika Hampisongadina ny Fifanarahan’i Cotonou


  • Zoma 06 Febroary 2015

Hotanterahana anio ilay dinika politika hifampiresahan’ny delegasionina eoropeanina ahitana ny lehiben’ny masoivohony eto Madagasikara Antonio Sanchez-Benedito Gaspar amin’ny fitondram-panjakana Malagasy tarihin’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery

. Tsy hivaona amin’ny Fifanarahan’i Cotonou ny tafa eo amin’ny roa tonta. Ny Fifanarahana Fiaraha-miombon’antoka Afrika Karaiba Pasifika miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina vita sonia tany Cotonou izay manasongadina ny lafiny mahakasika ny zon’olombelona, ireo fototry ny demokrasia ary ny fanjakana tan-dalàna. Naaton’ny Vondrona eoropeanina nanomboka tamin’ny volana jona 2010 moa ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana teto Madagasikara taorian’ny fakana an-keriny ny fahefana nitranga teto amin’ny firenena ny 17 martsa 2009. Tapaka niaraka tamin’izay ihany koa ny Tahiry eoropeanina momba ny fampandrosoana andiany faha-10 mitentina 588,2 tapitrisa euros. Voatsinjo manokana kosa ny tontolo maha olona niaraka tamin’ny tohana tamin’ny fikarakarana ny fifidianana taorian’ny fanasoniavana ny tondrozotra ny 16 septambra 2011. Azo nampiasaina tamin’ireo sehatra roa ireo ny ampahany mitentina 303,61 tapitrisa euros tamin’ny FED andiany faha-10 nandritra ny taona 2012-2013. Efa miverina amin’ny laoniny ny fifandraisan’i Madagasikara sy ny Vondrona eoropeanina nanomboka tamin’ny 19 mey 2014. Taona fanombohan’ny FED andiany faha-11 izay hifarana amin’ny taona 2020. Mitentina 500 tapitrisa euros mahery ny fanampiana natokana ho an’ny firenena Malagasy mandritra io vanim-potoana io.  

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT