Politique

Dinika fanavotam-pirenena Miomana hitory kandida sy ireo mpanohana azy


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Nanamafy omaly ny avy eo anivon’ny Dinika fanavotam-pirenena sy ny filohan’izy ireo, Doudou na Tolojanahary Maharavo, fa hanara-maso ny fifidianana.

 

 Nahazo alalana hanao izany amin’ireo faritra 22 izahay, hoy izy ireo, ny 12 aprily 2018. Araka ny didim-pitondrana nivoaka ny 11 may 2018 ao amin’ny andininy faha 60, hoy izy, dia mazava tsara fa voarara tsy hanao fampihelezankevitra rehefa mpiasam-panjakana sivily sy miaramila. Ny andininy faha 6 sy 8 ao amin’ny didim-panjakana 2018 – 640 no manamafy izany, hoy izy. Tsy azo atao ny mampiasa fitaovam-panjakana toy ny fanamafisam-peo na fiarana minisitera. Tsy azo atao ny mahita dokam-barotrana kandida ao amin’ny biraom-panjakana. Misy ny sazy mifanandrify amin’izany, toy izay voalaza ao amin’ny andininy faha 219 amin’ny lalàna fehizoro mikasika ny fifidianana. Ohatra ny hoe famonjana 2 ka hatramin’ny 5 taona. Ny lamandy 1 ka hatramin’ny 2 tapitrisa ariary ary miafara amin’ny fanafoanana vokatra. Nilaza moa ny DFP rehefa mahita tranga izy ireo dia hametraka fitoriana any amin’ny tribonaly misahana izany na « Tribunal pénal » avy hatrany. Aorian’ny fifidianana kosa dia hanatona ny HCC hangataka fanafoanana ny vaton’izay nangalatra. Tsy vitanay samirery, hoy izy, ity fa mangataka ny fanohanan’ny vahoaka sy ireo mpanohana kandida mba tsy hanenenana.

 

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT