Tamin’ny faran’ny herinandro, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny hetsiky ny fiarahamonim-pirenena, Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP), Maharavo Ratolojanahary na Doudou,
no efa nisy ny fitoriana famaizana napetrakay mikasika ireo tompon’andraiki-panjakana mbola minia manao fampielezankevitra saingy noho ny tsy fahampian’ny enti-manana sy fitandroana ny ain’ireo delegasionina manatitra izany isam-paritra dia nisy ny olana. Fitoriana miisa 3 hatreto no tafapetraka amina faritra samihafa. Mandeha io ary hisy mpiasam-panjakana higadra ato ho ato, hoy izy. Manao ezaka faran’izay tratra izahay hametraka fitoriana maro miankina amin’ny enti-manana eo am-pelatananay ihany anefa. Raha misy fahafahana madiodio mitranga amin’ireo efa voaporofo fa tsy nanara-dalàna dia tsy maintsy hampiakatra ny raharaha izahay saingy tsy any aloha izao no resaka. Raha mahatsikaritra ianareo dia niha vitsy ny tomponandraiki-panjakana sahy nanao fampielezankevitra tamin’ity. Midika izany, hoy izy, fa mba nisy fiantraikany ihany ny zavatra nataonay.
J. Mirija
Legend: Ry zareo DFP
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.