Nampahatsiahy ny zava-bitany nanomboka ny taona 2016, izay niforonany, ka hatramin’izao tetsy amin’ny Bon accueil Ambatonakanga omaly ny avy eo anivon’ny vovonana politika Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) izay tarihin’i Tolojanahary Maharavo na Doudou.
Ny taona 2014 no efa nilaza ny vondrona eoropeanina fa be ny lesoka tamin’ny fifidianana 2013 ka tokony harenina amin’ny 2015, hoy izy. Tsy nisy fepetra noraisin’ny mpitondra anefa fa mainka aza niha loza no nitranga tamin’ny fifidianana loholona. Niaraha-nahita ny fitakiana sendikaly sy niforonan’ny DFP ny taona 2016. Teo koa ny an’ny mpanao gazety. Ny taona 2017 izahay no efa niteny, hoy izy, fa tsy mety raha ity fitondrana Rajaonarimampianina ity irery intsony no manao ny fifidianana. Nipoaka ny tetsy amin’ny 13 mey tamin’ity taona ity vao taitra daholo. Aza mifanome tsiny intsony, hoy ny DFP, fa ny hadalantsika daholo no nahatonga izao. Manomboka izao kosa izahay dia mampitandrina ireo tompon’andraiki-panjakana mbola mikasa hanao propagandy sy hampiasa fitaovam-panjakana amin’izany fa mazava ny voasoratra ao amin’ny lalàna fehizoro 2018-008 ao amin’ny andininy faha-60 ny 11 mey 2018 izay nohamafisin’ny didim-panjakana 2018-640. Efa nahazo alalana tamin’ny CENI izahay fa mahazo manara-maso ary misy ny fangatahana efa nampiarahanay mikasika ny sazy ho an’izay tratra ka aza gaga raha misy tompon’andraiki-panjakana higadra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.