Hanomboka rahampitso alarobia 11 martsa ary haharita telo andro ny Dinika fakan-kevitra momba ny fampihavanam-pirenena ho an’ny Faritra Betsiboka
. Resaka fandaminana anatiny nataon’ny FFKM any an-toerana no anton’ny fanemorana, tsy nanatanterahana niaraka tamin’ireo Faritra 21 nanerana ny Nosy ny fankan-kevitra tany an-toerana. Na izany aza, toy ny tany amin’ny Faritra hafa, dia fanontaniana miisa 15, efa voavola mialoha, no hakana ny hevitry ny mpizaika mandritra io telo andro io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.