Mizotra tsikelikely mankany amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena ny fifampidinihana tarihan’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin’ny FFKM. Nanombohana izany ny fifampiresahana mivantana teo amin’ireo filoham-panjakana 5 mirahalahy tamin’ny 19 desambra 2014
teny Ivato ka namotsorana ireo gadra politika voarohirohy tamin’ireo raharaha politika nafampana teo amin’ny firenena nanomboka tamin’ny taona 2002. Andrasana moa ny fandinihana manokana ny momba ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc aorian’ny fihaonana manaraka hotanterahana ny 13 janoary 2015 izao. Andrandraina amin’ny dingana manaraka ny fisokafan’ny Tiko, orinasan’ny fianakaviana Ravalomanana. Hanome ainga vao ny toekarena malagasy ny fiverenan’ity vondron’orinasa najoro ho an’ny vahoaka malagasy ity. Tombony goavana amin’ny fihodinany ny fanomezana asa ny mpiray tanindrazana sy ny fampihenana ny fanafarana entana ilaina amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina eto Madagasikara. Manana adidy amin’ny fanampiana ny fanarenana izany ny fanjakana malagasy mba tsy ho sakana amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina. Fampanantenana efa nataon’ny mpitondra fanjakana tamin’ny alalan’ny minisitry ny Indostria sy ny sehatra tsy miankina ary ny orinasa madinika sy salantsalany hatramin’ny jolay 2014 rahateo ny fanomezana onitra noho ny fahasimban’ny orinasa. Raha tsy hoe angaha sanatria indray misy kajy politika manokana hamotehana an-dRavalomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.