Politique

Dinan’ny fifampitondrantena Mampiahiahy ireo kandida ho filoham-pirenena


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

Tsy misy dina mipetraka akory dia efa mampiahiahy ireo mpanao politika sy ireo kandida izay nanaovana fanadihadiana sahady ny mikasika ny hametrahana ilay “Dinan’ny

fifampitondrantenan’ireo kandida” natolotry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ho an’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 36 tetsy Ampefiloha ny fiandohan’ny herinandro teo. Ny mpanao politika Zakahely Boniface, ohatra, mbola talohan’ny fanolorana ity resaka “dina soniavina” ity dia efa nampahatsiahy matetika fa olana teto ny tsy fanajana ny teny nomena, indrindra ny tsy fanajana sonia natao. Ny kandidan’ny antoko politika UDECMA, Norbert Randriamorasata, izay zokiny indrindra amin’ireo kandida, dia niteny fa tsara ilay izy saingy tratra aoriana. Ny an’ny antoko RTM, Joseph Martin Randriamampionona na Dadafara, moa dia fanontaniana ny azy no napetrany hoe tena hanaraka izany tokoa ve ireo kandida, indrindra ireo efa nangalatra fiaingana sahady ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT