Namoaka ny tatitra mikasika ny fanarahan’izy ireo maso ny fanajan’ireo kandida ho filoham-pirenena ny dinan’ny fifampitondran’ireo kandida ny komitin’ity dina ity.
Kandida miisa 24 amin’ireo 36 no efa nandika izany sahady, raha ny tatitra. Anisan’ireo voadika ny andininy faharoa, izay mikasika ny amin’ny tsy tokony hanodinkodinana ny resaka lisi-pifidianana. Eo koa ny andininy faha-8 mikasika ny fandaniam-bola mihoapampana. Ny kandida laharana faha-12 sy 13 moa no tsikaritra fa tena manao izay. Tsy voahaja koa ny andininy faha-12 izay milaza fa tsy tokony hifanaratsy sy hifampihantsy. Be ny adihevitra nipetraka fony namolavola ity dina ity ireo mpisehatra tamin’izany ary hita ho lojika ihany raha sasa-poana ireo namolavola izany satria dia 6 tamin’ireo kandida 36 no nanaiky nanasonia tany am-boalohany. Raha ny kolontsaina Malagasy no hiverenana dia mahafehy izany ny hoe “Ny teny ierana no dina.”
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.