Politique

Dinam-pitondrantenan’ny kandida Tsy nanasonia Ravalomanana sy Rajoelina


  • Alakamisy 04 Oktobra 2018

Sady tsy tonga no tsy nandefa solontena teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny i Marc Ravalomanana nandritra ilay fihaonana nentina nanasonia ny dina ara-pitondrantenan’ny kandida sy ny etika tokony hananany mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana.

 

Efa nisy fotoana kosa izy nilaza fa ilaina tokoa ny fisian’izany ary tsy olana ny fanaovana sonia ho azy manokana. Nanindry anefa ny tenany fa tsy tokony hisy hiditra amin’ny CENI fa hanaporofo amin’ny lafiny rehetra sy ampahibemaso kosa fa hikarakara ny fifidianana amin’ny fomba mahitsy sy mangarahara ary hanasazy ireo tsy manara-dalàna. Andrasana, araka izany, izay ho fihetsiny. Mbola hatramin’ny 7 oktobra izao mantsy ny farafanaovana ny sonia, izay tsy misy lanjany araka ny lalàna moa. Ho an’i Andry Rajoelina kosa dia milaza fa vonona hanao sonia izy, araka ny nambaran’ny solontenany, saingy misy teboka mila dinihina sy fanitsiana tokony hatao. Raha tsiahivina, efa maro ny kiana sy fitoriana natao azy noho ny afera maloto samihafa sy fangoronana harem-pirenena ary ny tsy fanarahan-dalàna. Anisan’ny nanao izany ny HFI tarihin-dry Pety Rakotoniaina, ny Kandida Solo Norbert Andriamorasata, ny Fikambanana VOLT (Vondron’ny Olom-pirenena Leo Tsimatimanota). Tsy tonga sady tsy nandefa solontena kosa ny Kandida Tabera Randriamanantsoa, Rasolofondraosolo Zafimahaleo na Dama, Jules Etienne Rolland, Ratsietison Jean Jacques, Andriantseheno Marcelin, Radavidson Andriamparany, Eliana Bezaza, Eric Rajaonary, Joseph Martin Randriamampionona, Imbeh Serge Jovial, Rabarihoela Bruno, ka andrasana izay ho fanapahan-kevitr’izy ireo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT