Politique

Dinam-pitondrantenan’ireo kandida Hisy tatitra atao isan-kerinandro


  • Alarobia 10 Oktobra 2018

Tafakatra 12 ny isan’ireo kandidà nanaiky hanasonia ilay dinam-pitondrantena eo amin’ny samy kandidà mandritra ny fampielezan-kevitra nisy kandida iray tonga nanasonia saingy efa tara ny fe-potoana napetraka.

 

Hametraka fomba fanaraha-maso an’ireo kandidà nanao sonia na tsia ny komity misahana ny Dina mamaritra ireo fomba mendrika sy mahitsy ifampifehezan`ireo kandidà ary efa misy fomba hanaovana izany, hoy ny fanazavana teo anivon’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM).  Hisy fanambarana isaky ny herinandro, hataon’ny komity. Hisy solontenan’ireo sehatra 12 any amin’ny faritra hanaraha-maso ka miankina amin’ireo teboka voalaza ao anatin’ilay dinam-pitondrantena no hanatsarana an’ireo kandidà ireo. Nanamafy ny teo anivon’ny CFM fa na dia eo aza ny komity iombonana hanaraha-maso an’ireo kandidà, ny vahoaka rehetra kosa no entanina, hiaingana hanao ny fanaraha-maso dia ny mpanaratsy olona, mpanompa olona. Mialoha izay, tokony ho fantatry ny vahoaka ny teboka ao anatin’ilay dina. Hiroso amin’ny fanaparihana ny dina ny komity mba ho fantatry ny olona ny zavatra tokony harahi-maso eo amin’ilay kandidà. Hampahafantarina amin’ny vahoaka ny tena votoatin’ilay dinam-pifanarahana, ankoatra ilay fifehezantenan’ilay kandidà, ho fanazavana ny sain’ny mpifidy mba ahafahan’izy ireo manao safidy tsara sy matotra kokoa, hoy hatrany ny fanazavana.

Ireto avy ireo kandidà  nanasonia ny dinam-pitondran-tena mandritra ny fampielezan-kevitra :

Rasolofonjoa Haingo Andriakajamalala, Rakotofiringa Richard Razafy, Rabary Andrianiaina Paul, Rabeharisoa Saraha, Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial, Mahafaly Solonandrasana Olivier Jocelyn, Radilofe Mamy Richard, Ravelonarivo Jean, Randriamorasata Solo Norbert, Rasolonjatovo Falimampionona, Rakotomamonjy Jean Max ary Rasolovoahangy Roseline Emma.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT