Kandida 6 monja tamin’ny 36 ihany omaly 3 oktobra no nanasonia ilay dina ara-pitondrantena ho an’ny kandida filoha novolavolain’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy sy ny vovonana miaraka aminy, toy ny CENI.
Tsy iza izany fa Rakotofiringa Richard Razafy, Rabearisoa Saraha, Radilofe Mamy Richard, Randriamorasata Solo Norbert, Rasolonjatovo Falimampionona, Rakotomamonjy Jean Max. Miisa 5 omaly no efa nanabaribary ampahibemaso ny tsy fanekeny hanasonia ny dina ara-pitondrantena tokony hananan’ny kandida Filoham-pirenena izay novolavolain’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM, dia i José Michel Andrianoelison, Arlette Ramaroson, Didier Ratsiraka, Fanirisoa Ernaivo, Mailhol André Christian. Nilaza ny kandida Fanirisoa Ernaivo fa fihatsarambelatsihy io satria izahay asaina manao sonia kanefa tsy misy andraikitra raisina eo anatrehan’ny efa fandikan-dalàna mampiasa fitaovam-panjakana, nandroba harem-pirenena, ary mampiasa volabe hahazoana fahefana indray. Nivantana ny tenany nilaza fa izy dia hanohitra ny valin’io fifidianana io satria hatramin'ny kandida aza tsy tafiditra anaty lisitra, ary efa sesilany ny fanambarany amin’ny ahiahy momba ny karazana kajikajy maloto ao anatin’io lisi-pifidianana io. Tsy tomombana ny zava-drehetra, ka ataovy lalàna io, dia faizo izay tokony hofaizina, hoy izy. Tsy vao izao no nanao sonia isika, hoy ny kandida José Michel Andrianoelison. Tsarao amin'ny zavatra nataoko sy hataoko aho. Tsarao aho raha efa nanao propagandy mialoha ny fotoana, hoy izy, izay toa te hiteny fa misy ny manao izany saingy tazanim-potsiny. Ho an’ny Kandida Didier Ratsiraka tamin’ny alalan’Atoa Simon Pierre, dia nilaza fa fihatsarambelatsihy ihany io raha ny fijerin’izy ireo. Ny fototry ny fihavanana sy filaminana dia tsy misy. Ny tsy fitoviana, ny tsy fanatanterahana ny sonia natao efa nisinisy ihany teto amin’ity firenena ity, kanefa tsy nisy fanatanterahana. Tsy ny fanaovan-tsonia no zava-dehibe fa alamino aloha ny firenena, ataovy aloha ny fampihavanana anay, hoy izy. Ny kandida Mailhol Christian Dieu Donné dia tsy nanasonia ihany koa. Ny CENI, hoy izy, dia renay hoe niampy ny birao fandatsaham-bato, nitombo ny lisitra, Tsy tao ny anarako fa ny an'ny vadiko tao tamin’ny voalohany ary nifamadika avy eo, kanefa samy tsy ao indray taty amin’ny farany. Milaza ny tenany fa misy nesorina ny lisitry ny mpivavaka ao aminy. Mampieritreritra ihany, ka izaho tsy hanao, ary tsy io sonia io no zava-dehibe fa ny fitondrantenan'ny kandida. Aleo ho tomombana vao manao izany, hoy izy. Notsindriany ny resaka vola ampiasain'ny kandida. Tsy mahazo mampiasa vola vahiny, kanefa ny CENI aza vola avy any ivelany no ampiasainy amin'ny fifidianana. Somary voapotsipotsitra ireo ampahana tsy fahatomombanana, ary misy aza moa ny kandida efa nitaky ny hanokafana ny lisi-pifidianana, ao ny hatry ny ela no mitaky ny hafoanana ny fifidianana mihitsy,… Mety tsy hipetra-potsiny ireo kandida mahita tsy fahatomombanana aorian’ny valim-pifidianana, izay mety hihamaro. Mety hikorontana ity raharaha ity raha izao no mitohy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.