Politique

Dinam-pifanarahana Mivonona hanasonia ny ankamaroan`ny kandidà


  • Alarobia 26 Septambra 2018

Tsara ny andraikitra noraisin`ny CFM tao anatin`ny fandaminana ny fifandraisana eo amin`ny samy kandidà ary inoana fa hiditra ao anatin`io dinam-pifanarahana io ny fialana amin`ny fifanaratsiana sy fifanenjehana ao anatin`ny tambajotran-tserasera sy ao anatin`ny haino aman-jery rehetra.

 

 

 

 28 ireo kandidà nanatrika ilay atrikasa fampahafantarana ary fizarana amin`ireo kandidà na ny solontenan’ny dina notapahina ny alakamisy teo. Nisy kosa no tsy tonga teny an-toerana toa an-dRatsietison Jean Jacques, Jean-Max Rakotomamonjy, Erick Rajaonary, Joseph Martin Randriamampionona, Imbeh Serge, Andry Rajoelina, Jean Louis Zafivao. Ity farany dia nilaza fa noho izy any amin`ny faritra dia tsy afaka nanatrika izany atrik`asa izany fa kosa mankatoa ny fanapahan-kevitra noraisin`ny CFM. Raha ny tombana dia mety eo amin`ny kandidà telo na efatra eo no tsy hanao Sonia izany hoy ny teo anivon`ny CFM saingy kosa efa miroso mankany amin`ny tsaratsara kokoa.  Marihana fa ny 03 Oktobra ho avy izao ny lanonana hanaovana ny sonia ho fanamarihana ny fanekena sy fanajana ny din aka mandritra izany herinandro voalohany izany ihany koa ny fampahafantarana ny Dina manerana ny Nosy sy ny anaran`ireo kandidà nanao sonia na tsia, ny fanaraha-maso ny fanajana ny Dina sy ny teny nomena.  Antenaina hanaja izany dina ara-pitsi-pitondratena izany ireo kandidà sy ireo mpanohana azy ireo mba hiverenan`ny fitokisana ny zotram-pifidianana sy hahamarobe an`ireo mpifidy, hoy ny CFM.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT