Iaraha-mahafantatra fa nanomana karazana « dinam-pifanarahana” ny komitin`ny fampihavanam-pirenena (CFM).
Nandritra ny atrikasa nampafantarana an`ireo kandidà sy solontenan`izy ireo, ny volana septambra lasa teo, nisy soso-kevitra nivoaka nandritra izany fa tokony hatao lalàna ilay dinam-pifanarahana. Antony, mihatra amin`ny rehetra io lalàna io ary tsy amin`ny kandidà ihany fa main`izay mpitondra fanjakana ihany koa. Raha hatao lalàna io dina io dia tsy ho tratra intsony izany sady tsy fotoanany intsony satria afaka andro vitsivitsy dia fampielezan-kevitra, iray volana mialoha ny fihodinana voalohany, hoy i Imbiky Herilaza, izay mpahay lalàna. Maro ny dingana tsy maintsy arahina raha toa ka atao lalàna ny dina. Tsy maintsy mbola mampiantso fivoriana tsy ara-potoana eny amin`ny parlemantera roa tonta, izay mbola handinika an`io zavatra io ka ho sarotra ihany no hanantanteraka izany, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza ity mpitsara ity fa tsy manana fahefana hanery an`ny kandidà hanao sonia ny CFM fa fifanarahana tsotra izy amin`ny samy kandidà ihany. Miankina ny etikan`ny samy mpanao politika no hitondra fanajana na tsia mialoha, mandritra ary aorian`ny fifidianana. Maro kosa ireo fifanarahana ara-politika natao hatrizay fa nisy tsy nanàja saingy kosa mila manaja soatoavina ara-politika aorian`ny fifidianana ny kandidà tsirairay avy, hoy hatrany izy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.