Ravalo sy Hotontosaina anio eny amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny ny fanasoniavana ilay dina ara-pitondran-tena ho an’ny kandida filoham-pirenena, mba tsy hisian’ny teny fihantsiana, indrindra ny hanajana.
Eo ihany koa ny hanekena ny lamina sy hitandroana ny filaminana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana, indrindra ny fanekena ny vokatra. Tsy olana ho an’i Marc Ravalomanana ny manasonia ny dina ara-pitondrantena ho an’ny kandida filoham-pirenena, raha ny nambarany nandritra ny fihaonana tamin’ny diaspora tany Frantsa ny 29 septambra teo. Tokony hifanaraka ny kandida amin’ny sata mifehy ny fifidianana, saingy tsy tokony hitsabaka amin’io ny CENI, ary tokony hanao sata sy fifanekena amin’ny kandida ihany koa, hoy izy. Mifanaraka ny kandida 36 hoe ny asan’izy ireo, dia manao izay hampangarahara fa tsy mitsabaka amin’ny sata ifanarahana amin’ny kandida. Tsy tokony hisy hidiran’ny CENI io sata io fa ny manao fanekena eo anatrehan’ny besinimaro amin’ny hisian’ny tena mangarahara ary hanenjika ireo tsy manara-dalàna no hataony, raha ny fanehoan-kevitr’i Marc Ravalomanana. Toa mitovitovy ary nanamafy izany ny kandida Fanirisoa Ernaivo raha nilaza fa ny CENI ihany koa dia mampanao sonia an’io, ary misy rahateo ny andininy milaza fa tokony hekena ny valim-pifidianana kanefa misy ny tsy fahatomombanana, hoy izy, izay mbola mangataka fanitsiana toy ny fanokafana ny lisi-pifidianana aloha. Nanipika kosa izy mila avadika ho lalàna izany satria iaraha-mahalala fa tsy misy ny sazy ho an’ny kandida tsy manaja dina fa ny feon’ny fieritreretana no mitondra an’io, raha halalinina. Ho an’ny Pr Randriantseheno Marcelin, nanamafy fa manaja ny etika ary afaka mifehy ny olony, ka tsy dia midika inona loatra. Handrasana anio ny fahavitrihan’ny kandida tsirairay avy amin’ny fanasoniavana io sata io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.