Politique

Didy tsy hivalozan’ny HCC anio Hampanao fihodinana faharoa…


  • Alarobia 28 Novambra 2018

Hivoaka anio alarobia 28 novambra 2018 amin’ny 10ora maraina eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny didim-pitsarana sy ny valim-pifidianana ofisialin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoha tamin’ny 7 novambra teo,

 

 

 taorian’ny valiny vonjimaika navoakan’ny CENI ny 17 novambra. Nohamafisina ny fitandroana ny filaminana eny an-toerana. 500 any ho any ny olona nasaina ahitana ireo kandida, ny sehatra iraisam-pirenena sy masoivoho vahiny, firaisamonim-pirenena … Didy tsy azo hivalozana ny anio ary hamaritra ny ho avy rehetra mikasika ny toe-draharaham-pirenena. Hitovy sa hisy fiovana amin’ny navoakan’ny CENI ny 17 novambra no havoakan’ny HCC ? Novoizin’ny kandida Andry Rajoelina sy ny mpomba azy fa diso ny valim-pifidianan’ny CENI ary nolazaina fa mangalatra ny rindram-baiko na ny «Logiciel » nampiasaina, ka rindram-baiko hafa mihitsy no nampiasain’ny HCC. Tetsy an-kilany, efa namaly bontana tamin’ny alalan’ny Filohany Hery Rakotomanana ny CENI fa tsy misy mampisalasala ny amin’ny rindram-baiko nampiasain’izy ireo ary natao andrana ampahibemaso ny 31 oktobra sy niantsoana manampahaizana iraisam-pirenena, ka nilazany fa vonona ny amin’ny fitsirihana lalina na ny « audit » ny CENI raha ilaina sy omen’ny fahefam-pitsarana alalana. Miankina amin’ny hambaran’ny HCC anio ny zava-drehetra. Maro no mihevitra fa hitovitovy amin’ny navoakan’ny CENI, dia ny fizorana any amin’ny fihodinana faharoa. Ny Vondrona Eoropeanina aza efa nandrotsaka ny volabe 1,1 tapitrisa Euros hiatrehana izany. Ny filohan’ny CENI Hery Rakotomanana ny alatsinainy 26 novambra dia efa nandefa fampitam-baovao fiantsoana dinika sy fizaram-baovao ho fiomanana amin’ny fihodinana faharoa eny amin’ny CENI Nanisana zoma 30 novambra izao amin’ny 10 ora. Mahatratra 212 moa ny fitoriana na efa nisintona ny azy aza ny kandida Ravalomanana mba hitandroana ny fitoniana. Efa niaraha-naheno anefa ny fanehoan-kevitry ny sehatra iraisam-pirenena, toy ny SADC, COI … fa nandeha araka ny niheverana azy ny fifidianana na teo aza ny lesoka, ka toa sarotsarotra inoana ihany no hahafoana ny fifidianana, kanefa ny HCC moa no tompon’ny teny farany. Ny mpanara-maso iraisam-pirenena sy ny eto an-toerana, dia nahita fandikan-dalàna samihafa, toy ny fizaram-bola nataona kandida. Raha ny andininy faha-233 amin’ny lalàna ankapobeny mikasika ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka dia voasazy handoa honitra ary tsy afaka misitraka ny zo maha olom-pirenena, tsy afaka manao asa maha olom-boafidy … ny mpividy safidim-bahoaka. Any amin’ny andininy faha-208 ihany dia milaza fa hahafahana mandraraka kandida na ny “disqualification” ny fanakianana ny rafitra ara-panjakana sy ara-pitsarana miandraikitra ny fifidianana sy ny karazana tsindry atao aminy amin’ny asany. Misy kandida mety raraka avy hatrany ao, raha ny lalàna no hampiharina ara-bakiteny saingy raha dinihina amin’ny didy navoakan’ny HCC hatramin’izay dia toa mijery ny mason-tsivana politika sy tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny rehetra. Andrasana izay hiseho.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT