Ao anatin`ny kihon-dalana ahafahan`ny Malagasy miroso amin`ny tsaratsara kokoa, amin`ny fiainana metimety kokoa, na koa mihemotra amin`ny fiainana ratsy ny firenena amin`izao.
Misy vanim-potoana andraisan`ny olona na vondron`olona fanapahan-kevitra, andraisany fanapahan-kevitra … Hatramin`ny taona 2014, maro ireo fanapahan-kevitra raisin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana somary sadasada. Marihina fa ny taona 2014 no nametrahana ireo mpikambana vaovao eo anivon`ity fitsarana ity ka mahakasika ny asany amin`ny maha mpanara-maso ny fanajana ny lalàmpanorenana no nataony. Tamin`ireny vanim-potoana mafana ireny ary, navoakan`ny filohan`ity andrim-panjakana ity tamin`ny haino aman-jery hoe mitady marimaritra iraisana foana mba hikatsahana ny fitoniana ara-politika eto Madagasikara. Izany no anton’ny fandraisana fanapahan-kevitra somary mivaona tamin`ny lalàmpanorenana. Mino kosa isika fa nahazo anatra ry zareo satria anisan`ny fandraisana ireny fanapahana ara-politika ireny no nahatonga ny fifandonana tamin`ireo andrim-panjakana maro samihafa dia tsy voaravona ny disadisa raha tsy nisy ilay krizy politika tamin`ilay didy fanapahana tamin`ny 25 mey 2018. Miverina ifotony ny HCC ka amin`izao mahakasika ny mpitsara azy amin`ny fifidianana no ataony. Ny olana anefa, tsy arofenitra ny lalàm-pidianana entina hitsara ireo fitoriana. Vao voalohany ny HCC no hitsara ny raharaha mahakasika fifidianana filoham-pirenena. Enga anie mba tena ho lalàmpanorenana ary ny lalàna no hampiharina mba hitondra fitonina ara-politika. Maro ireo nitondra ny raharaha araka izay fiheverany amin`ny firaketany sy firafitry ny fitoriana nalefa eny amin`ny Fitsarana momba ny lalàmpanorenana ireo sokajy isan-tokony, indrindra ireo manan-jo manana fahefana hanao fitoriana. Ny mason`izao tontolo izao, ny mason`ny Malagasy, ny mason`ny mpanao politika… dia hitodika ao Ambohidahy avokoa. Eo amin`io toerana io no hivoahan`ny fitoniana ara-politika na savorovoro ara-politika eto Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.