Politique

Didy havoakan`ny HCC Hampitony sa hampisavorovoro ?


  • Sabotsy 24 Novambra 2018

Amin`izao fotoana izao, ao anatin`ny kihon-dalàna ny firenena izay afahan`ny Malagasy miroso amin`ny tsaratsara kokoa, amin`ny fiainana metimety kokoa, na koa mihemotra amin`ny fiainana ratsy kokoa.

 


Misy vanim-potoana andraisan`ny olona fanapahan-kevitra, andraisan`ny vondron`olona fanapahan-kevitra… Hatramin`ny taona 2014, maro ireo fanapahan-kevitra raisin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena somary sadasada. Marihana fa ny taona 2014 no nametrahana ireo mpikambana vaovao eo anivon`ity Fitsarana ity ka mahakasika  ny asany amin`ny maha mpanara-maso ny fanajana ny lalàmpanorenana no nataoany.
Tamin`ireny vanim-potoana mafana ireny ary navoakan`ny Filohan`ity Andrim-panjakana ity tamin`ny haino aman-jery hoe mitady marimaritra iraisana foana mba hikatsahana ny fitoniana ara-politika eto Madagasikara. Izany no antony ireny fandraisana fanapahan-kevitra somary mivoana tamin`ny lalàmpanorenena. Mino kosa isika fa nahazo anatra ry zareo satria anisan`ny fandraisana ireny fanapahana ara-politika ireny no nahatonga ny fifandonana tamin`ireo andrim-panjakana maro samihafa dia tsy voaravin`izay disadisa raha tsy nisy ilay krizy politika tamin`ilay didy fanapahana tamin`ny 25 mey 2018. Miverina ifotony ny HCC ka amin`izao mahakasika ny mpitsara azy amin`ny fifidianana no ataony. Olana anefa, tsy arofenitra ny lalàm-pidianana entina hitsara ireo fitoriana. Vao voalohany ny HCC no hitsara ny raharaha mahakasika fifidianana filoham-pirenena. Enga anie mba tena lalàm-panorenena ary ny lalàna no ampiarina sy marimaritra iraisana mba hitondra fitonina ara-politika. Maro ireo nitondra ny raharaha amin`ny araka izay fiheverany amin`ny firaketany sy firafitry ny fitoriana nalefa eny amin`ny Fitsarana momba ny lalàm-panorenena ireo sokajy isan-tokony indrindra ireo manan-jo izay manana fahefana hanao izay fitoriana izay. Ny mason`izao tontolo izao, ny mason`ny Malagasy, ny mason`ny mpanao politika… dia mitodika ao Ambohidahy avokoa. Eo amin`io toerana io no hivoahan`ny fitoniana ara-politika na savorovoro ara-politika eto Madagasikara.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT