Politique

Didy fandravana governemanta Nokianin-dRajaonarimampianina ny HCC


  • Alakamisy 31 Mey 2018

Na ho tapitra rahampitso zoma 01 jona aza ny fe-potoana 7 andro tokony handravana ny governemanta, dia tsy mbola nisy resaka faharavana na fametraham-pialana faobe nandritra ny filan-kevitry ny minisitra omaly teny Iavaloha notarihin-dRajaonarimampianina, fa nifototra tamin’ny fandefasana taratasy fangataham-panazavana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC.

Tonga nanatitra izany teny amin’ny HCC eny Ambohidahy rahateo ny mpisolovavan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina omaly tolakandro. Mahakasika ny didy mitondra ny laharana 18-GCC/D3 taorian’ny fitorian’ny depioten’ny fanovana azy sy ny fitakiana ny fialany izy io, saingy zavatra hafa no nivoaka dia ny fandrodanana ny goverenemanta ao anatin’ny 7 andro monja nanomboka ny 25 mey nivoahan’ny didy izy io, ary efa nahazo ny fampahafantarana ny filoha. Ny zavatra hita sy tsapa dia iny didy iny no tsy hahafahan’ny firenena tsy hiverina amin’ny krizy intsony, hoy ireo mpisolovava. Misy zavatra manjavozavo ao anatin’izany, hany ka miteraka fandikana na “interprétations” samihafa ilay izy satria misy tsy mazava, ka tsara raha izy ireo namoaka didy no manazava kokoa ka izay indray no mitarika krizy ho antsika, hoy ny mpisolovava Charlotte Ramanase. Mavesa-danja loatra ny hahafahana manatanteraka soa aman-tsara iny didy navoakan’ny HCC tamin’ny 25 mey. Teboka miisa 2 no tena manjavozavavo, dia ny mikasika ny fe-potoana hanatanterahana ny didy sy mikasika ny fahefan’ny filoha, izay teren’ny HCC handika ny andinin-dalàna voalazan’ny lalàmpanorenana, hoy hatrany ireo mpisolovava ireo, hoy kosa ny mpisolovava Tantely Rakotonirina. Mba manangam-bovona amin’ny HCC ihany koa izany Rajaonarimampianina, izay efa tsy voahaisotra na nolazaina aza fa nandika lalàna, ary izy ireo indray no mbola mitady hianakendry. Malaina tanteraka amin’ny fandravana ny governemanta ny filoham-pirenena, ka mbola mitady hevitra hafa, ary izay no mahatonga azy ireo mitady fomba hanemorana izany amin’ny alalan’io fangataham-panazavana mety hampihemotra kely ny fanatanterahana ny didy na ny « recours en interprétation » io. Ho tapitra rahampitso ny fe-potoana nomen’ny HCC ny filoha handravana ny governemanta. Mihatra avy hatrany amin’ny antsipirihany ny didy raha tsy misy ny fifanarahana politika mipetraka ao anatin’ny 10 andro, ka ho hita eo indray izay hafitsoky ny HCC amin’ny famaliana ity fangatahana ity. Ny tsiliantsofina nivoaka avy any an-dapa no nahafantarana fa tena tsy levon’ny vavonin’ny filohan’ny Repoblika ilay didy miendrika baiko navoakan’ny HCC amin’ny hampitsarahana amin’ny asany ny praiminisitra sy ny governemanta ary tena nahatezitra azy .


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT