Manome vahana ny tsy fanarahan-dalŕna ny fanapahan-kevitra tsy ampiheverana noraisin’ny fitondram-panjakana mikasika ireo fepetra mila arahina amin’ny fanatanterahana ny fifamindram-pahefana eo amin’ireo mpitantana teo aloha sy vaovao eny anivon’ireo kaominina eto Madagasikara, raha ny ambetin-dresaky ny olona heno amin’izao fotoana izao
. Mampikorontana manokana ny tsy maintsy hananan’ny an-daniny sy an-kilany ilay didy fanamarinana na «notification» navoakan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana mialoha ny hirosoana amin’ny fifamindram-pitantanana. Mihisatra anefa ny famoahana azy io ka nahatonga fanapahan-kevitra vaovao mifanipaka amin’ny efa nambara teo aloha. Tsy mahagaga raha misafotofoto be ihany ohatra ny fandaharam-potoana amin’ny fanatontosana ny lanonana fifandimbiasan-toerana eo amin’ny mpitondra ny kaominina teo aloha sy ny ben’ny tanàna vaovao voafidim-bahoaka. Tranga roa samihafa azo hanomezana tsiny ny fanjakana foibe ohatra ny zava-nisy teny amin’ny kaominina ambanivohitra Ivato ny alatsinainy lasa teo izay nandavan’ny mpitantana ny tanànan’i Ivato seranana ny fanolorana ny fahefana ny ben’ny tanàna vaovao na ny fizirizirin’ny filohan’ny delegasionina manokana an’Antananarivo Renivohitra tsy hamindra ny fahefana amin’ny olom-boafidy vaovao mpitantana ny kaominina. Vahaolana tsotra anefa ny fanambarana ofisialy avy amin’ny ingahy minisitra eny amin’ny haino aman-jery sy ao anatin’ny gazety mpivoaka isan’andro, hoy ny tafan’ireo mpanara-baovao.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.