Politique

Didin’ny HCC Notsikafonin’ny Sendikan’ny Mpitsara


  • Alatsinainy 28 Mey 2018

Nilaza ny HCC fa tsy nanaraka ny lalàmpanorenana ny filoham-pirenena, ary tsy vitany ny nametraka ny HCJ (Haute Cour de Justice) na ny Fitsarana ambony.

Noho izany, ny sazy tokony ho noraisina mifandraika amin’izany dia ny fanesorana azy. Tsy izay anefa no nitranga fa ny fandravana ny governemanta, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara na ny SMM, Faniry Ernaivo tamin’ny fanapariaham-baovao nataony ny faran’ny herinandro teo. “Lalàna avy aiza no noforonin’ny HCC ? Lalàna avy aiza no manome alalana ny  HCC mandrava ny governemanta ?”, hoy izy. Io atao no hoe “motion de censure” na fitsipaham-pitokisana raha any amin’ny antenimieram-pirenena, kanefa ny HCC no nanao izany. Raha ohatra ka tsy misy ny fifanarahana politika ao anatin’ny 10 andro dia manan-kery avy hatrany ity didy, raha ny voalazan’ny adininy faha-14 ao anatiny, izay midika fa tsy manan-kery raha vao misy ny fifanarahana politika. Taiza teto ambonin’ny tany no misy an’izany hoe didim-pitsarana hihantona na tsy hanan-kery satria misy ny fifanarahana politika? Raha halalinina izany ny fanehoan-kevitra ara-teknika momba ny fanapahan-kevitry ny HCC, dia mazava be ny fisian’ny fanapahan-kevitra ara-politika tsy nandrasana, ary toa niaro an-kolaka ny filoha. Eo ihany koa ny kazarazana endrika tsy fahamatorana hoe didim-pitsarana no havoaka, saingy tsy ampiharina raha misy ny fifanarahana ara-politika, izay toa azo adika avy hatrany hoe fanapahan-kevitra hoenti-mamono afo sy tsy misy dikany raha toa ka hisy tokoa ny fifanarahana ara-politika. Tena nandeha tamin’ny fahitsiana ve ny HCC tao anatin’ny fandinihana ny raharaha ? Inona ary izany no azon’ny SMM atao ankoatra ny fanakianana iny didy iny ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT