Iankinan’ny filaminana sy ny fikorontanan’ny firenena ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana amin’izao fotoana. Andrasana fatratra ny valin’ny fitoriana mangataka ny fialan’ny filoha amin’ny toerany.
Tsy ho vita mora anefa izany satria tsy maintsy hanao izay rehetra fomba azony hatao i Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM. Misy amin’ireo mpikambana miisa 3 amin’ny 9 rahateo no olona notendren’ny filoha, ka anisany ny filohan’io andrim-panjakana io, dia i Eric Rakotoarisoa. Na tsy tokony hiandany aza ny mpitsara, dia mety mandeha ny tsindry isan-karazany mahazo azy ireo eo anatrehan’ny zava-misy. Nametraka ny ahiahiany sy namaky bantsilana ihany koa tetsy an-daniny ny depioten’ny fanovana ny faran’ny herinandro teo, fa nisy ny fitakian’ny olon’ny HVM volabe 9 miliara tamina mpandraharaha karana sy sinoa eto amin’ny firenena. Heverina fa hanambazana ireo mpikambana 9 ao anatin’ny HCC ireo, raha ny resaka teny an-kianja ihany. Raha mitombina io, dia mbola resaka kolikoly hafa ihany koa. Vao mainka hampitombo ny ahiahy sy horaisin’ny maro ho fanamarinana izay resa-kolikoly izay no antony, raha tonga amin’ny famoahana didy tsy araka ny noheverin’ny eny amin’ny 13 mey no hivoaka eo. Nazava ihany koa anefa ny hafatra teny an-kianja andro maromaro izay, dia ny fampitandremana fa tompon’andraikitra feno amin’izay zavatra hiseho eo ny HCC raha tsy mifanaraka amin’ny fitakiam-bahoaka ny fanapahan-keviny. Ny fanapahan-kevitr’ity rafi-pitsarana ity no hampilamina na hampikorontana ny firenena, ka karazan’ny mandroso maty raibe, ary hihemotra maty renibe izy ireo. Ny tolom-bahoaka mivaivay, kanefa ny mety ho tsindry avy any an-dapa ihany koa mitatao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.