Politique

Didier Ratsiraka Tsy mbola niarahaba an-dRajoelina hatreto


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

Totoafo ny fiarahabana sy firarian-tsoa ho an’i Andry Rajoelina taorian’ny nanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ny 8 janoary fa izy no voafidy ho filohan’ny Repoblika.

 

 

 

Nisantatra izany ny androtr’iny ihany tamin’ny alalan’ny fiarahabana azy i Marc Ravalomanana, ary mbola nanamafy izany sy nitsodrano ary nirary soa azy fotoana fohy taty aoriana. Efa nanao ny azy ihany koa ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, izay hamindra ny fahefana feno aminy rahampitso. Tsy mba re feo kosa ny Amiraly Didier Ratsiraka, izay anisan’ny kandida nifaninana tamin’ny fihodinana voalohany. Tsiahivina fa tsy nankasitraka iny fifidianana iny ny tenany fa nitaky ny handaminana ny zava-drehetra aloha. Tsy mankasitraka ihany koa ny fahalanian’i Andry Rajoelina ve ?   Tsy fantatra mazava izay fifandraisana eo amin’ny roa tonta, fa ny zavatra tsy levon’ny vavoniny ary matetika noresahiny ny tsy nisian’ny fihodinana faharoa tamin’ny taona 2002, izay nialany teo amin’ny fitondrana. Efa nitsotra fa nanampy an-dRajoelina tamin’ny raharaha 2009 izy raha ny valandresaka lehibe nataony efa tany amin’ny volana aogositra 2015. Nisy tamin’ireo heverina ho alahelony no mbola notsiahiviny ny 5 septambra 2018 tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy. Niantso ahy ny Frantsay hoe : ampiana hanala an’i Marc Ravalomanana, ka nanaiky izany aho, hoy ny Amiraly Ratsiraka. Nampiako i Andry Rajoelina, ka nifanekena fa tsy misy ra latsaka. Rehefa vita ny fanalana an-dRavalomanana dia miverina ho Ben’ny tanàna i Andry Rajoelina, saingy tsy izay no niseho fa nisora-tena ho filohan’ny HAT, hoy ny Amiraly. Somary nidirany hatramin’ny raharaha 7 febroary ka nahoana, hoy izy no tsy voatifitra teny Ambohitsorohitra ry jeneraly Dolin Rasoloson fa ny taoriany no voa ? Nanomboka teo no nisaraka ny dian-dRajoelina sy Didier Ratsiraka, raha ny resaka ofisialy, fa ny tany ambadibadika tany no tsy hay. Raha ireo no lanjalanjaina dia toa nangidy kokoa taminy ny 2002 noho ny mety famadihan-dRajoelina azy tamin’ny raharaha 2009, rehefa dinihina. Ny fahatongavan’ny Amiraly na tsia eny Mahamasina ny sabotsy 19 janoary no hamaly ny fanontaniana maro mifamahofaho eo amin’izy mirahalahy mianaka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT