Politique

Didier Ratsiraka Tsy mbola milavo lefona


  • Alarobia 22 Aogositra 2018

Tsy nofinofy ary tsy kihonohono fa anisan’ireo nandrotsaka ny antontan-taratasiny hofidiana filoham-pirenena amin’ny 7 novambra izao ny Amiraly Didier Ratsiraka,

filoha mpanorina ny antoko Arema. Nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany tamin’ny ora farany teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC Ambohidahy omaly takariva ireo delegasionina mafonja nirahiny. Nitarika izany ny Sekretera Nasionalin’ny Antoko Simon Pierre, Sekretera jeneralin’ny antoko ho an’ny faritanin’Antananarivo Ange Randrianarisoa, ny Printsy Hector Elakovelo, Profesora Raniriharinosy Harimanana, ireo zanany roa vavy dia i Sophie sy Anick Ratsiraka, Ny amiraly Ratsiraka no kandida faha-46 farany nandrotsaka ny filatsahan-kofidiany teny amin’ny HCC, izay mety ho fanapahan-kevitra tamin’ny ora farany na nanao fomban’ny “favori”, dia ny miandry farany. Tsy mankasitraka loatra ny hanaovana izao fifidianana izao ny Amiraly sy ny mpiara-dia aminy, saingy nirotsaka ihany izy satria tsy maintsy mandeha ny fifidianana, hoy i Simon Pierre Sekretera jeneralin’ny antoko Arema. Nivoy ny tokony hisian’ny fandaminana eto amin’ny firenena hatry ny ela ny Amiraly Didier Ratsiraka ary tsy dia narisika loatra tamin’izay fifidianana izay, saingy tsy nisy nihaino, hany ka nanapa-kevitra ny ho kandida. Mila milatsaka ny filoha raha ny ambaran’ny Arema kanefa efa izay no tapaka ary io no zava-misy ka dia tsy afa-manoatra. Mananika ny faha-82 taonany ny amiraly, izay efa kandida tamin’ny 2013, saingy nolavina ka heverina fa mpifaninana izy amin’ity. Mahalala zavatra sy tsiambaratelo betsaka i Didier Ratsiraka raha ny momba an’i Madagasikara satria izy no nitondra ela indrindra teto, ary na efa nahazo taona aza mbola tena mamiratra ara-tsaina. Tsy mety milavo lefona i Deba e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT