Politique

Didier Ratsiraka Tsara toerana ho filohan’ny tetezamita vaovao ?


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2018

Re ny faran’ny herinandro teo fa ankoatra ilay fivorian’ireo vondrona kandida filoha sy ny CENI teny Nanisana dia nisy ihany koa ny

 

 

fihaonana teo amin’ny praiminisitra Ntsay Christian sy ireo masoivoho vahiny eto Madagasikara tamin’io zoma io ihany tamin’ny 4 ora tolakandro, izany hoe taloha kelin’ilay fivoriana teny Nanisana. Raha ny ritsoka re dia manodidina ny fanemorana ny fifidianana no votoatin-dresaka teny Mahazoarivo. Araka  ny loharanom-baovao iray dia efa tsy azo ihodivirana intsony ny fanemorana ny fifidianana. Tsy tongatonga ho azy tokoa ny fanambarana sy fivoahana fifanarahana politika tampoka. Re ihany koa izao fa hotanterahana eny amin’ny CCI Ivato ny alarobia 24 oktobra ho avy izao ilay Fivoriambe mahefa na “Conférence Souveraine” izay ambara fa handinika sy handray ny fanapahan-kevitra rehetra ilaina amin’ny fanadiovana ny tontolo manodidina ny fifidianana. Izay raha tsorina dia hanao ny asan’ny CENI sy ny governemanta mihitsy izany momba ny fifidianana. Mazava ny resaka eto fa lasa olana ny maha filoham-panjakana an’i Rivo Rakotovao sy ny maha praiminisitra an’i Ntsay Christian satria izy mirahalahy ireo dia nahazo fanakianana mafy avy amin’ny vondron’ny kandida fa hoe mitanila ka noho izany tsy azo atokisana raha mbola eo amin’ny toerany sy ny fahefany ao anatin’ny fotoam-pifidianana. Izay no midika fa efa manangasanga indray ny fitondrana tetezamita ary tsy maintsy hihemotra ny datim-pifidianana. Ara-teknika, tsy ho vita ao anatin’ny tapa-bolana ny fanitsiana lisi-pifidianana. Tsy raikitra noho izany ny datin’ny 7 novambra 2018 hanaovana ny fihodinana voalohany raha raikitra io fanokafana ny lisi-pifidianana io. Mibaribary amin’izao zava-mitranga izao fa misy ny politika avo lenta eto ary maro ny fivoriana miafina sy fifampiresahana tsy ampoizina any ambadibadika any. Iza no mahazo tombontsoa ? Iza no ho matiantoka ? Tsy mbola fantatra mazava fa ny vahoaka aloha dia manomboka fanina. Andrasana izay ho tohin’ny raharaha fa ny mahoraka tato anatin’ny andro vitsivitsy izao aloha momba ity resaka politika ity dia ny hoe : tsara toerana hitantana ny tetezamita ny amiraly Didier Ratsiraka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT