« Fampihavanana aloha, fifidianana aoriana. ». Anisan’ny fehezantenin’ny filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsiraka io nandritra ny fankalazana ny faha-42 taonan’ny antoko Arema teny Faravohitra ny 25 martsa teo.
Taorian’izay dia tsy re feo loatra intsony i Deba. Midika zava-dehibe izay teny fohy nafonja izay. Mazava ho azy fa tsy laharam-pahamehana ho azy aloha ny fifidianana. Inona kosa anefa no fampihavanana handrandrainy ary amin’ny fotoana toy ny ahoana no hanatontosana azy ? Raha ny ara-dalàna dia tsy maintsy mifarana amin’ity taona ity ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena ankehitriny. Iaraha-mahita anefa ny toe-draharaham-pirenena fa miha mihenjana hatrany ny tady eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra ary raha ny famakafakana politikan’ireo mpandinika isan-tokony dia sarotra ny hino fa hisy fifidianana amin’ity taona ity. Midika izany fa maro no miandrandra tetezamita ary miha mitombina hatrany ny tombana fa anisan’izany ny amiraly. Io fotoana io ihany koa ary ve no fotoana handrandrain’ity filoha ity hanaovany ampamoaka mivantana amin’ireo haino aman-jery sy heveriny ho fotoana mety indrindra ampidirany ny fampihavanana tiany hahatongavana ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.