Mangina tsy ahenoam-peo ny amiraly Didier Ratsiraka. Izy irery tamin’ireo telo nanao sonia ny fehin-kevitra nivoitra taorian’ny dinika nasionaly momba ny fampihavanam-pirenena natao teny amin’ny CCI ny 4 mey 2015 no tsy naneho hevitra
manoloana ny raharaham-pirenena, indrindra mikasika ny fiampangan’ireo solombavam-bahoaka ny filoham-pirenena ho nandika matetika ny lalampanorenena ka angatahin’izy ireo haongana amin’ny toerany. Raha efa samy niteny na ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina izay nilaza fa “tsy hanaiky ny handravana” ny efa naorina na ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay mijoro ho mpanelanelana ka miantso ny filohan’ny Repoblika sy ny solombavam-bahoaka hanao “pacte de stabilité”. Eny fa hatramin’ny Pr Zafy Albert, izay nandray anjara sy tsy nanao sonia ny fehin-kevitry ny CCI aza mba naneho ny heviny. Mangina tanteraka kosa ny amiraly Ratsiraka. Inona no ao ambadik’izao fahanginany izao ? “Ao raha !” hoy ny sasany. Manohana ny hetsik’ireo solombavam-bahoaka maro an’isa ve izy sa miaro ny tapaky ny mpizaika teny amin’ny CCI Ivato, sa efa tranga hafa mihitsy no eritreretiny ?, hoy kosa ny hafa. Ho hita eo ny tohiny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.